Fianarana kabary
publié le 30/10/2011 - 10h00, par TAKARIVA / TAKARIVA
saha tanimbary
"...Tompoko lahy sy tompoko vavy ...)
Ny fampianarana androany dia fanomezana fomba fiteny tsotsotra izay azo ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro .
LESONA VOALOHANY :
TENY FAMPIDIRANA RAHA HANDIMBY OLONA HITENY :
"Mipasoka ny efa malama mandrava izay velondrirana, mitsoka ny efa mirehitra hono maka fanahy ny lavenona "
"Tsy hanao gilamaso mangarika ka hamerina ny efa vita, aleo manatevina toy izay manala "
"Atao tahaky ny anana, tsara ny manampy toy izay manositra "
REHEFA HANOMBOKA INDRAY DIA AO NY FIALANA TSINY :
Azafady Tompoko lahy , azafady tompoko vavy !
Manao azafady aminareo izaho raha handray fitenenana satria tsy zokiny ny tenako fa zandriny , ary tsy Ray aman-dreny fa zanaka !
Angady no filanjako ary sobika no filolohako !
Ka tsy tokony hiteny eto anatrehanareo !
Ka hiteny manoloana ny ambany lanitra e , ka sadaikatra be ihany !
Hiteny manoloana anareo ambany lanitra ka toa vahotra ihany ny lela !
Hiteny manoloana anareo ka dia ialako tsiny !
Ny tsiny hono maiva mavesatra , tsy zakan'ny teo aloha ka ombako tsy mahazaka ihany koa !
Ary ny teny tsy afa tsiny hono , mahafolaka andatiny ka mahafaty tanora !
Ka dia miala tsiny Tompoko lahy , miala tsiny tompoko vavy !
Miala satroka , miala po tsatroka , miala salohy fito ....
plus d'infos
+ d'articles
commentaires